Fair-Part

Condoléances

FAIR-PART

 

« Ary izay hendry dia hamirapiratra toy ny famirapiratry ny lanitra ; ary izay mamerina ny maro ho amin’ny fahamarinana dia ho tahaka ny kintana mandrakizay doria ».

(Daniela 12:3)

 

Amin’ny finoana sy ny fanantenana ny fitsanganan’ny tena amin’ny maty no ampandrenesanay fa ny havanay :

 

Révérend Docteur ANDRIAMANJATO Richard Mahitsison

 

Mpitandrina

Ben’ny tanànan’Antananarivo voalohan taorian’ny Fahaleovantenam-pirenena ; Filohan’ny Antenimieram-pirenena teo aloha ; Grand-Croix de Liberia ; Grand-Croix de l’Ordre National Malagasy 2ème classe, dia nantsoin’ny Ray hiala sasatra any aminy tamin’ny alakamisy 16 Mey 2013 tany Paris-France rehefa nivahiny 83 taona teto an-tany ka nambombain’ny Tompo hatrany ny fahasoavany

 

Hoy :

 

Ny zanany :

Andriamanjato Ny Aina Razafindrakotohasina sy Rakotomavo Fanja Arisoa

Andriamanjato Ny Hasina sy Randimbisoa Faramalala

Andriamanjato Ny Toky Soloniandry sy Rasoamahenina Bodosahondra Andrianina

Andriamanjato Ny Hanta Andriamanjato sy Ratrema Xavier Jean Luc A. Ravalinera

 

Ny zafikeliny :

Ny Hasina Hasinjo, Ny Tsiky Velontoky, Ny Akanto Andriamanjato, Taratry Ny Aina, Ny Fanilo Kiady, Ny Tsanta Hasintiana, Ny Ifaliana Arindrano Andriamanjato sy Rova Faniry Andriamanga, Ny Rindra Hasina, Ny Sandratra Andriamanjato, Ny Havozo Hasintoky, Ny Akomaeva Diane Jade, Hiratry Ny Aina, Ny Avotiana Bao Andriamanjato, Ny Sandratrandro Rasoanavalona.

 

Ny iray tampo aminy :

Ramanjatojaona André sy ny zanaka aman-jafiny; Ratoandromanjatoarisoa Andriamanantenasoa sy ny zanaka aman-jafiny ary ny zafiafiny; Ny terak’Itompokovavy Rasoazanajato Lucienne sy Itompokolahy Andrianasolo Jean sy ny zanaka aman-jafiny

 

Ny iray tampo amin’ny vadiny :

Ny terak’Itompokovavy Razafindrakotohasina Rahantamalala, Razafindrakotohasina Ramarosaona Zaïveline sy ny zanaka aman-jafiny, Rakoto Jean Willy vady navelan’Itompokovavy Razafindrakotohasina Rabakonirina sy ny zanaka aman-jafiny, Professeur Razafindrakotohasina Rakotondrainibe Voahangy Ravaoarivelo sy ny zanaka aman-jafiny, Razafindrakotohasina Bakovelo sy ny zanaka aman-jafiny, Docteur Razafindrakotohasina Bakoly Vololona sy ny zakana aman-jafiny, Rakotoniaina Roger vady navelan’Itompokovavy Razafindrakotohasina Faralalao sy ny zanaka aman-jafiny, Ny Terak’Itompokolahy Razafindrakotohasina Andrianjakamidona Mahandrison, Razafindrakotohasina Faratantely Christiane sy Andriamamirado Victor ary ny zanaka aman-jafiny, Razafindrakotohasina Andrianjakanavalona Christian sy Rasendratsirofo Maud ary ny zanaka aman-jafiny, Docteur Razafindrakotohasina Norovololona.

 

Ny havany :

Ny Terak’Itompokolahy Rainijaona sy Itompokovavy Rasoarivony; Ny Terak’Itompokolahy Rainialy sy Itompokovavy Rahiratra; Ny Terak’Andrianilana, Ny Terak’Itompokovavy Ramasitera sy Itompokolahy Razafimandimby; Ny Terak’Itompokolahy Rakotomalala; Ny Mpitandrina sy ny fiangonana FJKM Ambohitantely, ny Birao Politika sy ny AKFM-FANAVAOZANA, ny Akademia Malagasy, Ny Raiamandreny Mijoro, Ny Kolejy RASALAMA, Ny synodam-paritany Antananarivo Atsinanana, ny Foibe FJKM, ny FPMA Frantsa, ny Pastora sy ny FLM Ambatovinaky, ny FJKM Anosisoa Fitiavana, ny FJKM Ambodimita Betela, ny FJKM amparibe Famonjena, ny FJKM Ankadinandriana Atsinanana, ny FJKM Ambohipiara, ny FJKM Ambohitsiroa (Andakana), ny C.E.T.A. (Conseil des Eglises de toute l’Afrique), ny C.C.P. (Conférence Chrétienne pour la Paix), ny C.M.P. (Conseil Mondial de la Paix), ny C.O.E. (Conseil Oecuménique des Eglises), ny Firahalahian’ny Mpitandrina, les Amis d’Israël, ny Kongresin’ny Tetezamita, ireo taizany ara-panahy, ireo namana mpiara-niolona taminy.

 

Ny Vatana mangatsiaka dia ho tonga eny Ivato ny Alakamisy 23 Mey 2013 ary ho entina handrasana eny amin’ny Fiangonana FJKM Ambohitantely hatramin’ny Alahady 26 Mey 2013, izay hanaovana ny fotoam-pivavahana fanaovam-beloma azy, manomboka amin’ny 11 ora sy sasany, alohan’ny hametrahana azy eny amin’ny fasan-drazany eny Andranonandriana-Ambohidratrimo.

 

Dia herezonao ry Mpamonjy Malala

‘lay finoana velona mba tsy hiala

Ho tanterakay ‘zany asa nomena

Ho fanasina Hiaro ity Firenena

(HALELOIA ! HOSANA ! Hira noforonin’i Pasitera ANDRIAMANJATO Richard M.)

Tsy mitondra lambamena !

 

Source : http://www.madagate.com/editorial/communaute-malagasy/3275-richard-andriamanjato-le-faire-part-ranaivojaona-gaston-rene-dr-mananignace.html

 

Nous joignons nos sincères condoléances à toute la famille et à ses proches. Notre hommage au regretté ami, figure emblématique de la diplomatie malagasy, est visible sur "Sociologie et Découverte". Voir lien http://crossmax.e-monsite.com/blog/

 

Shatia ANDRIAMANAMPISOA

Sociologue, Anthropologue et Démographe

26.05.2013

 

 

Créer un site internet avec e-monsite - Signaler un contenu illicite sur ce site