Le mot du Président

NY GAZETY MALAGASY FITAOVAN'NY FITIAVAN-TANIDRAZANA

Ny Gazety no nentin'ireo tia tanindrazana nitakiana ny FITOVIAN-JO, nitadiavana ny hahazoana ny FAHALEOVANTENAM-PIRENENA MALAGASY izay very tamin'ny taona 1896.

Tsy mpirari-tolona Malagasy teto Madagasikara ka tsy nilatsaka ho mpanao Gazety hatramin'ni Jean RALAIMONGO, Dr RAVOAHANGY, Dr RASETA Joseph, RANAIVO Jules, sy ny sisa tsy voatanisa rehetra.

Noho izany dia tokony hokajiantsika taranaka ankehitriny fa fitaovana masina ny Gazety, ary tokony ho hajaina tanteraka tokoa ; tsy atakalo vola, fa izay mamadika izany ho fitadiavam-bola dia MAMADIKA TANINDRAZANA. Hahita loza aman'atambo ary ho kizo fara marina satria MASINA NY TANINDRAZANA.

Tsy gaga isika fa tamin'ny andron'ny fanjanahantany ka mbola nampivaivay ny fanejehana ny Gazety Malagasy dia nisy ny fandraofana Gazety sy ny fampidirana an-tranomaizina ary fanaovana sesitany ireo mpanao Gazety. Tao koa ny fandrarana ny fivoahan'ny Gazety tanatin'ny fotoana voafetra ary nisy aza ny naharitra mihitsy. Teo ihany koa ny fandraofana ny fananan'ny mpanao Gazety sy ny fanaovana "lavanty" ny fitaovam-panoratana.

Noho izany, amin'izao fotoana fankalazana ny ANDRO NATOKANA HO AMIN'NY FAHALALAN'NY GAZETY izao, dia mitaky fahafahana feno ny asa fanaovan-gazety satria natao ha MPITONDRA TENIN'NY VAHOAKA. 

Efa nitondra ny mafy indrindra ny mpanao Gazety sy ny gazety Malagasy ka mendrika ny hiaina amin'ny fahalalahana amin'izay.

Ho ela velona anie ny FAHALALAHAN'NY GAZETY MALAGASY izay fitaovam-piadiana tsy milefitra eo amin'ny herim-pamoretana volen'ireo mpanjanaka sy mpananim-bohitra.

 

RAKOTONDRASOAVA Georges

Filohan'ny FIKAMBANAN'NY MPANAO GAZETY ZOKIOLONA (CJD)

Créer un site internet avec e-monsite - Signaler un contenu illicite sur ce site